Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-19

9 Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Maninona aty hianao, ry Elia?

11 Ary hoy Iaveh: Mivoaha hianao, ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra, eo anatrehan'ny Tompo, fa indro handalo Iaveh. Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan'ny Tompo; nefa tsy tao amin'ny rivotra Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin'ny horohorohon-tany Iaveh. 12 Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin'ny afo Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy. 13 Ka raha nandre izay Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: Maninona aty hianao, ry Elia?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.142